Closed
lock1 winner
Royal Anthurium MDG
Fiadanana namako🥰❤️ Ela tsy nanoratra ranty aho fa sahirana tamin'ny ankizy, androany tantaraiko anareo ity fihetsika iray tena nikasika ny foko. Androany, nisy mpanjifa iray avy any Frantsa tonga namangy ahy taty antrano, vao indray mandeha izy no nividy voninkazo tamiko saingy tsy aiko toa lasa nifandray am-po, nahafohy fotoana ary nitondra fanomezana ho ahy🎁 Raha ny marina dia tsy ilay fanomezana mihitsy no nampihetsi-po ahy indrindra, fa ilay fahafoizam-potoana, ilay fiheverana ahy, ilay fitiavana ary indrindra ilay fihavanana tao ambadik'izany🇲🇬 Rehefa nanomboka ny Royal Anthurium MDG aho dia conseils-passion-partage no tena tanjoko. Fa tsikelikely dia tsapako fa misy zavatra sarobidy kokoa noho izany teraka eto... dia ny fifandraisana amin'olombelona Ilay antsointsika hoe "FIHAVANANA"🤗 Misy zavatra tsy voavidin'ny vola mihitsy eto an-tany. Ny fo mankasitraka, ny olona mahatsiaro anao, ny fihavanana madio tsy misy tambiny... Ary androany dia tsapako indray fa marina tokoa ilay hoe: "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana"🇲🇬 Ny hatsaram-panahy atao, ny fitiavana zaraina, dia miverina amintsika amin'ny endrika tsy ampoizina, indraindray aza mampitomany hafaliana. Misaotra anao tamin'ity fihetsika kely nefa lehibe tao am-poko ity namako. Tsy ny fanomezana no ho tadidiko indrindra, fa ilay hafatra nentiny hoe: misy olona lavitra an'arivony kilaometatra, nefa akaiky fo. Ny fihavanana no harena tena sarobidy❤️🙏 Mandrosoa hasina dia mahavanòna bé namako ❤️ ✍️Raha liam-pihavanana amiko ianao soraty eo amin'ny commentaire : " Namako" fa ho ataoko tirage au sort izay commentaire hahazo cadeau anthurium ho valin'ny fifaliam-poko🎁❤️ #Royalanthuriummdg #anthuriumlovers #Malagasy #Fihavanana
1st
@Janie Andriamanambahy
“Namako Mitondra fitoniana, fifaliana ny voninkazo”